Alakamisy 17 Avrily 2025
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Levitikosy 19:18
Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany. Matio 7:12
Ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy, izay nampiarina sy nitsabo lehilahy iray saiky maty teo amoron-dalana, dia maneho an-tsary ny teny voatanisa etsy ambony. Zara raha misy fantatra ny momba io lehilahy io, ankoatra ny hoe nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko izy. Nanankarena ve izy sa nahantra ? Olona ambony ve ? malaza ? sa olona tsy fantatra ? Tsy voalaza izany, ary mampianatra antsika : tsy misy fanavakavahana na fiangarana eo amin’izay ataon’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 10:34). Feno fiantrana ity Samaritana ity ka nitsabo ny ratran’ilay lehilahy, nefa tamin’izany fotoana izany ny Jiosy sy ny Samaritana dia tsy tia nifandray mihitsy (Jaona 4:9). Koa vao mainka mahavariana ny hatsaram-pony, ary maha tonga saina antsika.
Isika ve mifady tsy manampy ireo izay nanao ratsy antsika ? Toa voajanahary ihany izany, saingy tsy ho manaraka ny ohatra omen’i Kristy : „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8).
Isika ve mianina ho maha te ho tia eo amin’ny namantsika fotsiny, ary mihatakataka, na ratsy fanahy mihitsy aza, amin’ireo tsy mifankahazo amintsika, na amin’ny anisan’ny fianakaviantsika ihany koa ? (Matio 5:46).
Isika ve mamaly an-kalemem-panahy rehefa kianina ? (1 Petera 3:15). Mba ataontsika amin’ny hafa ve izay tiantsika hatao amintsika ? (andinin-tSoratra Masina androany)
Ny ohatra faratampony amin’ny fitiavana, dia ny fitiavan’i Kristy antsika : manolotra ny ainy ho an’ny sakaizany (Jaona 15:13), mamela ny heloky ny fahavalony izay nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana (Lioka 23:43). Tsy misy ohatra lehibe noho izany ho hitantsika halain-tahaka.