Alarobia 16 Avrily 2025

Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina ; diniho ny fanaony, ka mba hendre ; tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano. Ohabolana 6:6-8

Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo. 1 Petera 4:10

 

Ndao handinika ny voary (2)

Ny vitsika sy ny lafa (bibikely amin’ny zavamaniry)

Tena mahavariana ny asa tsy mijanona ao anaty tranom-bitsika. Ianao ve nahamarika ihany koa ny „vitsika mpiompy” eny amin’ny tahon-draozy, ohatra ? „Miompy” lafa izy ireny, manome hanina sy miaro azy, ary mahazo hanina avy aminy. Ny lafa tokoa mantsy dia mivelona amina tsiron-kazo be siramamy ary mandefa tsiranoka tantera-pahazavana sy mamy, tena ankafizin’ny vitsika.

Nanao karazana „fifanarahana” ny vitsika sy ny lafa : ny vitsika manome trano sy miaro ny lafa, ary ho valin’izany, ny lafa mamelona ny vitsika. Indraindray aza ny vitsika dia mamboatra karazana fialofana kely ho an’ny lafa, amina tapatapa-javamaniry mitsiratsiraka.

Ohatra tena tsara, maneho fiaraha-miasa, ny omen’ireo biby kely ireo antsika ! Mifanasoa ny andaniny sy ny ankilany, ary toa mifampikarakara mihitsy. Taomin’ny Baiboly isika hifanompo am-pitiavana (Galatiana 5:13). Ampirisihiny koa isika handinika ny vitsika, tanisainy ho ohatra eo amina asa voakaly sy atao am-pitandremana. Aza kamo isika !

Ny vitsika dia faka tahaka ihany koa, satria mirindra fiasa, ka miaina sy miroborobo ny tranony. Tokony ho toy izany koa ao amin’ny Fiangonana ; ny Lohany dia ny Tompo Jesosy any an-danitra, Izay tsy hita maso. Raha mahatoky tsy misy mivadika aminy isika, dia hiara-miroborobo.