Talata 15 Avrily 2025

Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:21

Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy, na amin’Andriamanitra na amin’olombelona, mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16

 

Ny fieritreretantsika

Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina tanisaina voalohany etsy ambony, ny toetran’ny fontsika dia mifamatotra akaiky amin’ny fizotra tsaran’ny fieritreretantsika.

Fandre indraindray ny hoe ny fieritreretana hono dia ny „feon’Andriamanitra”. Azo antoka fa fanomezana avy aminy tokoa izy io, toy ny fizarazarana rehetra ara-batana sy ara-toepanahy eo amin’ny tenantsika. Nefa toy ny ahafahan’ny tanantsika mangalatra, na toy ny ahafahan’ny lelantsika manonona teny mandratra, ny fieritreretana, ilay fahaiza-manao tena marefo, dia mety ho diso koa. Maro ny heloka bevava notanterahina, izay norakofan’ny fieritreretana, indrindra nandritra ireo fanenjehana ara-pivavahana. Talohan’ny nifanenany tamin’i Jesosy i Saoly avy any Tarsosy dia nihevitra fa „tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’i Jesosy” (Asan’ny Apostoly 26:9). Fa taorianan’ny niovany fo ho an’i Kristy kosa, dia nikely aina izy „mba hanana fieritreretana tsy manameloka… na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva”. Ny mikely aina dia mitaky ezaka sy faharetana. Noho izany, mba tsy hiasana ao anaty tsy fahalalana na mba tsy hanjary ho tsy mahomby, ny fieritreretantsika dia tokony hampianarin’ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza Jesosy tamina olon’ny fivavahana hoe : „Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra” (Matio 22:29).

Ry kristiana, isika ve mitaiza ny fieritreretantsika ka mikely aina hahatakatra tsara kokoa ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra sy hiaina izany ? Ny fieritreretana malady sy matsilo ary voavolavolan’ny Tenin’Andriamanitra dia mpitari-dalana sarobidy ho an’ny fandehantsika manokana, ho an’ny fandehan’ny ankohonantsika, ho an’ny fandeha madio eo anivon’ny fiangonana isan-toerana, ary eo amin’ny fifandraisantsika ara-piarahamonina. Nefa izany dia tokony hatao am-pitandremana tsara.