Alatsinainy 14 Avrily 2025
Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah. Jona 1:3
Jehovah ô… Aiza no hialako amin’ny Fanahinao ? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ? Salamo 139:1, 7
Mandositra an’Andriamanitra… Tsy hay atao izany, nefa indraindray isika dia te hiafina, rehefa mavesatra ny fieritreretantsika, toa an’i Adama nony nahare ny feon’Andriamanitra (Genesisy 3). Toy izany koa, i Jona dia nandositra rehefa tsy azoazony ny zavatra nasain’Andriamanitra hataony. Mpaminany anefa izy (nilaza teny avy amin’Andriamanitra). Fantatra hoe mpanompon’Andriamanitra izy. Nambarany tamin’ny mpiray firenena taminy fa Andriamanitra dia hanafaka azy ireo amin’ny fangejana, ary tanteraka izany. Nefa rehefa nirahin’Andriamanitra i Jona haminany any Ninive (Mossoul ankehitriny, any Irak), dia niondrana an-tsambo nandeha tany amin’ny zotra mifanipaka amin’izany.
Natahotra ny amin’ny ainy ve izy ? Nalaza ho masiaka ny mponina tany Ninive, nefa tsy miresaka tahotra ny bokin’i Jona. Jona tenany mihitsy no nanambara ny anton’ny nandosirany : „Fantatro fa Ianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra” (Jona 4:2). Nanambara ny famindrampo tamin’ny mpiray firenana taminy izy, nefa tsy tia ny hahazoana firenena hafa izany famindrampo izany. Nihidy ny fony.
Nampiasa tafiodrivotra sy hazandrano lehibe Andriamanitra, mba hanatanterahan’ilay mpanompony ny asa nanirahany azy. Dia nikarakara an’i Jona Izy, nanontany azy indroa hoe : „Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao… izao ?” Amin’izany Izy dia nitaona azy hisokatra amin’ny fangorahan’Andriamanitra.
Tsy takatsika ny fihetsik’i Jona, izay toa tsy nahafantatra ny halehiben’ny fon’Andriamanitra : „Mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” (Eksodosy 34:6). Nefa tsapantsika mandrakariva ve ny fikasany hamindra fo amin’ny rehetra ?