Alahady 13 Avrily 2025

Vonjeo aho, Andriamanitra ô ; fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano. Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana ; efa miditra amin’ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. Salamo 69:1-2

Afaho amin’ny fotaka aho, ka aza avela hilentika. Salamo 69:14

 

Fasika mandrevo

Ao amin’ny Salamo 69, nosoratan’i Davida, dia misy kisarisary iray miverimberina : fasika mandrevo mitelina tsy hay tohaina ny olona nidi-kizo nankao. Tsy afaka mivoaka avy ao izy : milentika ny tany itsahin’ny tongony.

Izany kisarisary izany dia manoritsoritra ny fihetsehampon’i Davida, rehefa tsy nahita vonjy mihitsy avy tamin’olona izy. Nefa ity salamo ity koa dia fahitana ara-paminaniana momba ny fijalian’i Jesosy, Ilay Mesian’ny Israely, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Ny kisarisarina fasika mandrevo dia mampahatsinjo antsika ny horohoron’i Jesosy teo amin’ny fiafaran’ny fiainany tetỳ an-tany, ary indrindra rehefa teo amin’ny hazofijaliana Izy.

Tao an-tsahan’i Getsemane, rehefa naminavina io fotoana mampivarahontsana hanomboana Azy io Izy, dia efa tena mafy ny tebitebiny, hany ka nitete tamin’ny tany toy ny ra ny hatsembohany. Avy eo Izy dia niatrika ilay alina nampahory indrindra, nitarihana Azy hitety karazana fitsarana, niaritra ny fankahalana, ny herisetra ara-batana, ny faniratsirana. Niara-nioko taminy ny sokajin’olona ara-piarahamonina rehetra. Tsy nisy olona, na iray aza, mba nanampy ity Lehilahy tsy nanan-tsiny tsy nanao afa-tsy soa ity ; tsy nisy, na iray aza, nitondra fampiononana faran’izay kely akory, ho Azy. Na ireo mpianany aza dia nandao Azy ! Ary rehefa teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia nitohy hatrany ny fanesoana sy ny fihantsiana, mandra-pandrakotry ny haizina ny zava-nitranga. Dia nilatsaka tamin’i Jesosy ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota, nilaozan’Ilay Andriamaniny Izy, nandritra ny ora telo nanonerany ny fahotantsika. Nidina tany amina hantsana tsy hita noanoa Izy… Nefa telo andro tatỳ aoriana Izy dia nivoaka mpandresy, avy tao am-pasana.

Ry kristiana, aza hadinointsika mihitsy ny fijaliana tsy hita lany niaretan’Ilay Mpamonjy malalantsika !