Asabotsy 12 Avrily 2025

Homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy ; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny. Jeremia 24:7

Filipo… nitory an’i Kristy tamin’ny olona. Asan’ny Apostoly 8:5

 

Antokom-pivavahana ve sa Andriamanitra ?

„Inona no mahatonga ny olona ho tia kokoa fombafomba ara-pivavahana fa tsy ny tena fahalalana an’Andriamanitra ? Avy aiza io fironana mandeha ho azy ho tia solon-javatra tsy tena izy io ? Satria ny antokom-pivavahana dia fanorenana fomba fanao sy fihevitra nataon’olombelona, izay manome ny olona fanoloran-tena mahafa-po eo imasony, sady mamela azy tsy hovesaran’andraikitra entin’ny tena fahalalana marina an’Andriamanitra… Izany dia anisan’ny antony lalina andosirantsika mba tsy hihaona amin’Andriamanitra.” (Arthur Katz)

Andriamanitra dia tsy manolotra antsika antokom-pivavahana, fa ny tenany mihitsy ! Izy dia maniry hiara-manorina amin’ny tsirairay fifandraisana marina sy velona, mifototra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanany, Izay maty hamonjy olo-meloka. Tsy firotsahana ara-tsaina ho mpikambana amina firehan-kevitra iray no resahina, fa famaliana ny antson’Andriamanitra, ao anaty toe-tsaina manoa. „Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko” (Salamo 139:23). Raha mamaly io antso io isika, dia ataon’Andriamanitra mahatakatra fa mila Mpamonjy. Hotarihiny isika hahalala an’i Jesosy Zanany, maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanonitra ireo fahotantsika. Io fihaonana aminy io dia hitondra antsika ho amina fandinihan-tena mahavonjy. Ny mihaona amin’i Jesosy dia mamonjy antsika, manafaka antsika ary ahazoantsika mifanakaiky aminy, Izay fantatra sy tiana araka ny maha Mpamonjy ilaintsika Azy. Tsy mitodika amina antokom-pivavahana ny finoantsika, fa amina Olona iray, dia Jesosy.