Zoma 11 Avrily 2025

Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy, ho afaka alahelo. Jeremia 31:13

Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Jaona 3:7

 

Tsy maintsy miova izany !

„Tsy maintsy miova izany !” Efa hatry ny oviana no nandrenesantsika io fiteny io ? Efa hatrizay hatrizay ! Tonga saina isika, rehefa mamaky ny asasoratr’ireo mpanoratra tranainy indrindra, fa ny tontolo fahagola dia efa naniry ny hiovan’ny zavatra, mba hanorina indray karazana paradisa an-tany. Saingy taorianan’ny nanotan’i Adama sy Eva dia nikororosy fahana ny fandehan-javatra, ary mbola miteny hatrany isika hoe : „Tsy maintsy miova izany !”, tahaka fiverenan-kira heverintsika ho maoderina, nefa efa naverimberin’ireo razantsika imbetsaka aoka izany. Ary tsapa fa manalavitra ny tany kokoa hatrany ny paradisa.

Nefa inona àry no afaka miova ? Ny fotoana iasana ve ? Ny karama ? Ny fitsarana ? Ny manampahefana, ny fitondram-panjakana, ny hetra, ny vidin’ny solika, ny fanjifana, ary inona ihany koa ? Samy manana ny lisitry ny fanovàna tsy maintsy atao mba hampandeha tsara kokoa ny zava-drehetra ny tsirairay. Nefa dia mbola eo hatrany ny hasorenana.

Ny hany fiovana marina sy lalina afaka hitranga dia ny an’ny isambatanolona manokana. Ampy ny mijery ny tenako fotsiny, miaiky ny tena toetrako, andevon’ny maha izaho ahy sy ny firehetam-poko ; ary manokatra ny foko amin’ny Tompo Jesosy. Dia omen’i Kristy toetra vaovao aho, afahany, ovainy. Ka manenika ahy ny fiadanany sy ny fahazavany, mameno ahy ny tena fifaliana, ny fahazoana antoka ny amin’ny fanafahany mandrakizay.

Nesorin’i Jesosy tamiko ny „fitafiana maloto” ary nampiakanjoiny „akanjo fihaingoana” aho, toa an’i Josoa (Zakaria 3:4), toa ilay zanaka nania (Lioka 15:11-24), toa ilay mpanjaka niongana sy nobaboina (2 Mpanjaka 25:29). Fiovana anie izany e !