Alakamisy 10 Avrily 2025

Mangìna hihaino Ahy (hoy Jehovah). Isaia 41:1

Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana. Fitomaniana 3:26

Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94:19

 

Nipetraka tam-panginana fotsiny aho

Nisy mpiasa maromaro nipaika bolongan-dranomandry teo amina farihy mivaingana iray, ary nametraka izany tao anaty trano heva fanatobiana entana. Tonga saina ny iray tamin’izy ireo hoe very ny famantaranandrony. Nikaroka izany izy ireo, nefa tsy nahita. Tamin’izay indrindra no niditra ity tovolahy mpiza-draharaha iray, ary vetivety dia nivoaka, nitondra teny an-tanany ilay famantaranandro. Rehefa nanontaniana ny fomba nahitany azy io izy, dia namaly hoe : „Nipetraka tam-panginana fotsiny aho, ary tsy ela dia nahare ny fanenony”.

Izany tantara izany dia maneho ny fihetsika tokony hananan’ny mpino : mahay mangina, mba hihaino an’Andriamanitra… Matahotra ny fanginana ve isika ? „Mampatahotra ahy ny fanginana mandrakizain’ireny habaka midadasika tsy misy fetra ireny”, hoy ny nosoratan’i Blaise Pascal. Izany angamba no antony maha be tabataba matetika ny tontolo androntsika, tsy resahina intsony ny fisainana rehetra mihodinkodina ao anaty fo sy saintsika ao… Nefa ahoana moa no handrenesantsika izay tian’Andriamanitra holazaina antsika, raha tsy mangina mihitsy eo anatrehany isika ? „Mampangina ny resabeko ny Tenin’Andriamanitra”, hoy i Clemente Rèbora, poeta italiana, taorianan’ny niovany fo ho an’i Kristy. Raha mihaino ny tenin’Andriamanitra isika, dia ho afaka miaina kely io fanginana anaty manala antsika amin’ny tontolon’ny tsy finoana io.

Ny fanginana dia miara-dalana amin’ny vavaka. Ao anatina tontolom-pialamboly dia mitaky fotoam-pilaminana ny vavaka. Ao anatina tontolon-tabataba dia mangataka fanginana ny vavaka. Ao anatina tontolo misafotofoto dia mila fitombenan-tsaina ny vavaka.

Na ao anaty fiainana andavanandro faran’izay mitambolimbolina aza, dia ndao hanokana fotoam-piatoana mangina, na fohy toy inona aza, mba hitodihana amin’ny Tompo. Mba hihainoana Azy fotsiny, tsotra izao.