Alarobia 9 Avrily 2025

Mihainoa izany, ry Joba ; mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra… Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana ataon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana ? Joba 37:14-16

Mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Salamo 139:14

 

Ndao handinika ny voary (1)

Ny angidina

Amin’ireo biby kely tsy hita isa, ny angidina dia mahatalanjona amin’ny hakantony, ny lokony ary ny halefolefony. Manidina mora foana izy, ary afaka mifindrafindra haingana etsy sy eroa. Ary eny am-panidinana mandrakariva no ahitany ny sakafony. Afaka mihevaheva tsy mihetsika eo am-panidinana eo koa izy, na manaitra fatratra amina fihodinana tampoka dia tampoka, matetika mba hisambotra lalitra ao aorianany. Saika tsy mipetraka mihitsy izy, mandritra ny andro. Afaka misandratra ambony noho ny tendron-kazo aza izy.

Ny taovan’ny angidina dia voahodidina karazana „tsiranoka miaro”, ahafahany miova lalana tampoka eny am-panidinana mafy, nefa tsy manimba ny tenany izany ! Tsy mitera-doza ho an’ny olona mihitsy izy, satria tsy manana poizina, na fanindronana, na fitsetsefana, na fiketoka mampidi-doza.

Taomin’ny Baiboly isika handinika ny zavaboary. Hoy Jesosy : „Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha ; tsy mba miasa na mamoly ireny” (Matio 6:28). Te handrisika antsika Izy hatoky an’Andriamanitra, Izay namorona izao voary mahafinaritra izao. Nametra-panontaniana maro tamin’ny tenany momba an’Andriamanitra i Joba, no nasaina nandinika „ny fahagagana ataon’Andriamanitra”. Dia ankona izy noho ny fahaizana mampitolagaga ananan’Ilay Mpahary.

Isika ve mba talanjona manoloana ny hakanto sy firindra lavorarin’ny zavamananaina kely indrindra misy ? noarin’Andriamanitra, fa tsy vokatry ny kisendrasendra.

Hahasoa antsika izany fandinihana ny zavaboary izany, raha toa isika miteny amin’Andriamanitra, toa an’i Joba, hoe : „Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro” (42:4).

(tohiny isaky ny herinandro)