Talata 8 Avrily 2025
Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 1 Korintiana 15:19
Izay mino ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino (tsy mankatò) ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36
„Kristiana aho, ary tsy menatra ny manambara izany. Ho ahy dia tsy misy fisalasalana, na kely aza, hoe Jesosy Kristy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Ny hany zavatra tsy inoako, dia ny fiainana mandrakizay.” Izany no tenin’ity vehivavy iray mpiara-miasa amiko, izay tena maha te ho tia, sady mandray andraikitra amin’ny asa sosialy maro.
Araka izany, aminy, Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nefa tsy ho nilaza ny marina ve Izy rehefa niresaka momba ny fiainana mandrakizay ? Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nefa diso ve Izy rehefa nilaza tamin’ny fomba hentitra fa manome io fiainana io ho an’izay mino Azy ? Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra, nefa rehefa hentitra Izy nanambara ny tenany ho fiainana, fiainana eto an-tany sady voafetra fotsiny ve no noresahiny ? Jesosy anefa dia nanambara tamin’ny fomba manetriketrika fa „avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony ; dia hivoaka izy” (Jaona 5:28-29). Koa… tsy midika ve izany, hoe misy zavatra aorianan’ny fahafatesana ?
Ny teny hoe „kristiana”, ao amin’ny Baiboly, dia manondro ireo izay mandray sy mino ny fampianaran’i Kristy, fa tsy ireo milaza ny tenany ho ao amina antokom-pivavahana kristiana fotsiny ihany. Tsy afaka ny ho tena kristiana, raha tsy mino izay lazain’i Kristy !
Aiza ho aiza ianao, momba io lafin-javatra tena fototra aoka izany io ? Raha toa ianao, mandraka androany, kristiana nandova „fombam-pianakaviana”, na kristiana „satria mba mino ihany fa misy Andriamanitra”, dia manontania tena momba ny anaovanao ny tenin’i Kristy, ny teniny rehetra. Indray andro any Izy dia hanadina anao momba ny nanaovanao ireo teny ireo, hoe nino Azy tamin’ny fonao manontolo ve ianao, sa nianina fotsiny tamina antokom-pivavahana. Izao ankehitriny izao ianao no tokony hanapa-kevitra momba izay tena inoanao marina !