Alatsinainy 7 Avrily 2025
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo. 1 Korintiana 13:13
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13
Mba fantatrao ve ny fitiavana ? ilay tena fitiavana
Natao-na gazety-boky soratra ngezabe tamin’ity volana ity ny lohateny hoe : „Ahoana no ahafantarana ny fitiavana ? ilay tena fitiavana.” Samy nanome valiny ny amin’ny fomba fandinihany io fanontaniana io ny mpanoratra rehetra, niezaka nanao tahirin-kevitra feno.
Nefa ahoana hoy Andriamanitra Izy tenany mihitsy… Izay fitiavana no toetra maha Izy Azy ?
„Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:4-8).
Iza no ho afaka mihambo hoe mahatratra izany haavo izany ? Ny haino amanjery dia milaza amintsika ireo rehetra hambanian-toetran’ny olombelona. Hita hatraiza hatraiza ny herisetra sy ny fitiavana ady ; voaporofon’ny antontanisa ny fifankahalan’ny samy olona. Andriamanitra irery no afaka manova ny olona, raha toa io olona io te handray Azy ho Mpamonjiny, „satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5).
Iray ihany, dia Kristy, Ilay Andriamanitra tonga olona, no manana ny toetra rehetra voatanisa etsy ambony. Noporofoiny izany, tamin’ny nanolorany ny ainy hamonjy antsika. Ndao isika hanaiky hotiavina amina fitiavana toy izany !
Ny fitiavan’Andriamanitra dia mihoatra lavitra
Noho izay afaka asehon’olombelona.
Etỳ an-tany etỳ dia mandiso fanantenana sy mandalo ihany ny zavatra rehetra,
Ny fitiavany ihany no hany tsy mety miova.