Alahady 6 Avrily 2025
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao ; araka ny haben’ny fiantranao, vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Salamo 51:1-2
Tany Myanmar (Birmania) dia nisy lehilahy nanam-pahalalana iray nahita ny bokin’ny Salamo (ampahany ao amin’ny Baiboly), very-na mpandeha iray. Liana izy nanomboka namaky azy. Nosoratana tamina vanimpotoana tranainy be sy tao amina kolontsaina hafa tanteraka noho ny azy ny Salamo, nefa vetivety foana dia takany fa miresaka zavatra mbola marina ankehitriny, miresaka momba Ilay Andriamanitra tokana nahary ny lanitra sy ny tany, momba ny fahamarinana sy ny fitiavan’Andriamanitra, nefa koa momba ny olombelona, mila famelan-keloka sy fanafahana.
Mbola tsy nahavaky manontolo ilay boky akory io lehilahy io dia nanary ireo sampiny, mba hanompo Ilay hany Andriamanitra marina. Nanjary vavaka ataony isanandro ny lahatSoratra nomena androany, nalaina tao amin’ny Salamo 51.
Indray andro izy dia tafahaona tamina misionera kristiana iray, nanome Testamenta Vaovao azy. Koa nifantoka tsara sy faly indrindra izy namaky ny Filazantsara, dia nianatra nahafantatra an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny.
Nasehon’ny Salamo azy fa vonona Andriamanitra hamela ny helony sy hanafaka azy. Fa tao amin’ny Testamenta Vaovao kosa izy vao afaka nahita mazava ny fototra amelan’Andriamanitra ny fahotana, dia amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, nijaly sy maty teo amin’ny hazofijaliana. Rehefa nino sy nandray ho an’ny tenany izany vaovao mahafaly izany ity lehilahy nahita ny Salamo, aloha, dia nahazo antoka ihany koa fa nahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay. Dibo-kafaliana izy, nijoro ho vavolombelona hoe : „Hatreto aho dia nandeha tamin’ny hazavan’ny kintana, fa ankehitriny kosa dia niposaka ho ahy ny masoandro !”
Ndao koa isika hianatra hahafantatra io hazavana io.