Asabotsy 5 Avrily 2025
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Sir James Young Simpson, dokotera tamin’ny taonjato faha-19, dia nahita zava-baovao maro hanatsarana ny fiterahana. Nanontaniana izy, indray andro, hoe inona tamin’ireo zava-baovao hitany ireo no heveriny ho lehibe indrindra. Izao no valinteniny :
„Fony mbola ankizy mpianatra aho dia nanatrika toejavatra iray tsy hay hadinoina : lehilahy iray nafatotra tamina sarety, nihosin-dra ny lamosiny noho ny kapoka karavasy, naseho eran’ny tanàna, noho ny fahadisoana iray monja nataony. Tsy nisy olona, na iray aza, mba nanolo-tena hisolo azy hiaritra ny famaizana azy. Tatỳ aoriana, rehefa mpianatra teny amin’ny oniversite aho, dia nahita ny namonoana lehilahy iray voaheloka ho faty satria nangalatra. Nisy namana niroso ve mba hisolo azy ? Tsia, tsy nisy…
Dia nieritreritra ny fiainana maha mpanota ahy aho, mitsangana eo amoron-tevana, tsy mendrika afa-tsy ny fanamelohan’Andriamanitra mandrakizay. Noho ny fahadisoana iray ve ? Tsia, noho ny fahotana maro nanoherako ny lalànan’Andriamanitra, lalàna tsy mba miova. Avy eo aho dia nisaintsaina momba an’i Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana : hisolo toerana ahy no nikapohana Azy, nahafaty Azy ; naka ny toerako olo-meloka Izy ! Nino Azy aho ka novonjeny. Samy mpanota avokoa isika rehetra. Ny vokatr’izany dia ny fahafatesana mandrakizay, ny fanesorana antsika tsy ho eo amin’ny fanatrehan’Ilay Andriamanitra masina, Izay tsy mahazaka ny ota ka tsy maintsy manafay izany. Nefa noho ny fitiavany tsy misy fetra, dia omen’Andriamanitra ho antsika tsirairay ny famelan-keloka feno : ny hany ilaina dia ny mino an’i Jesosy Kristy Zanany, Izay nisolo antsika, niaritra ny famaizana sy manome antsika ny fiainana mandrakizay. Noheveriko ho adidiko ny miresaka aminareo momba io Mpamonjy io, mba hitaomana anareo hino Azy, dia ho velona ianareo.” Eny, izany tokoa no zava-baovao lehibe indrindra afaka ho hita.