Zoma 4 Avrily 2025
Ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe : Tsy Ianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay. Lioka 23:39
Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, nanodidina Azy ny vahoaka, nanevateva Azy. Nandatsa Azy ny mpandalo : „Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao” (Matio 27:40). Ny iray tamin’ireo jiolahy nohomboana teo anilany dia nihaika Azy toa izany koa. Ny lohandohany ara-pivavahana dia naniratsira Azy hoe : „Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena… Aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny” (27:42).
Nijanona teo amin’ny hazofijaliana Jesosy… Voatazon’ny fantsika ve Izy, tsy afaka namaly ny fihaikana ? Moa ve Andriamanitra, Izay nanatrika ny zava-nitranga, tsy afaka nanafaka ny Zanany, araka izay nolazain’ireo mpitari-pivavahana ? „Natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy” (27:43). Navelan’Andriamanitra hiteny ireo, tsy niditra an-tsehatra Izy. Tsy tia Azy ve Izy ? Izy ve tsy nanambara indroa avy any an-danitra, momba an’i Jesosy, hoe : „Ity no Zanako malalako Izay sitrako” ? (Matio 3:17 ; 17:5). Ho afaka naneho ny heriny Jesosy ka nidina avy teo amin’ny hazofijaliana. Ho afaka naneho ny fitiavany Azy Andriamanitra ka nanafaka Azy.
Nefa Jesosy dia nijanona an-tsitrapo teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fitiavany ahy sy ianao. Tsy nanao na inona na inona Andriamanitra hanafahana Azy, satria niray hevitra ny Ray sy ny Zanaka handravona ny momba ny fahotantsika. Ny Zanaka dia nitondra ny fahotantsika, Andriamanitra nampianjera tamin’i Jesosy ny fahatezerana sahaza antsika. Tonga hatramin’ny fandaozana an’i Jesosy Izy (Matio 27:46).
Raha toa ka nidina avy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia ho very mandrakizay isika rehetra ! Nefa nijanona voafantsika teo amin’ny hazofijaliana Izy, noho ny herin’ny fitiavany, ary nanolotra famonjena mahatalanjona ho an’izay mino Azy.