Alakamisy 3 Avrily 2025
Fa voahombo tamin’ny hazofijaliana Izy (Kristy) noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin’Andriamanitra. 2 Korintiana 13:4
Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18
Tonga tetỳ anivon’ny olombelona Jesosy, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, nampahalady ny marenina. Nanafaka olona azon’ny demonia Izy, nanangana olona maty… Izy no Ilay Mpanjakan’ny Jiosy Izay tokony nanafaka ny Israely, araka izay nambaran’ireo mpaminany mialoha. Rehefa niditra tao Jerosalema Jesosy, andro vitsy talohan’ny Paska, dia nisy vahoaka betsaka namelatra ny lambany sy nampihahaka rantsan-kazo teny an-dalana ary niantso hoe : „Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah” (Lioka 19:38).
Nefa fotoana fohy taorianan’izany dia namadika an’i Jesosy ny mpianany iray, nanolotra Azy tamin’ireo mpitondra fivavahana, izay nanangana vavolombelona mandainga hanamelohana Azy, sady nampirisika ny vahoaka hitaky ny hamonoana Azy. Nandao Azy ny mpianany rehetra. Teo amin’ireo vahoaka, izay nihoby Azy ho mpanjaka fotoana fohy talohan’izao, dia nisy sasantsasany izao, nitaky ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana ! Taoriana-na fitsarana sarintsariny Izy dia natolotra ny miaramila romana, izay nanombo Azy.
Faharesena tanteraka… no mety noheverin’ny mpandalo izay naneso sy nanevateva Azy. Foana ny fanantenan’ireo izay nino Azy. „Nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely”, hoy ny sasantsasany nalahelo (Lioka 24:21).
Nefa raha ny marina, ny fahafatesan’i Jesosy dia fandresena lehibe. Talohan’ny nahafatesany dia niantso tamin’ny feo mahery Izy hoe : „Vita !” Avy eo dia Izy mihitsy no nametraka ny fanahiny teo ampelatanan’ny Rainy, nandalo ny fahafatesana tamin’ny nahim-pony.
Ny nitsanganany velona, ny marainan’ny andro fahatelo, dia manamafy fa naharesy ny fahafatesana Kristy, teo amin’ny hazofijaliana. Ny fahafatesan’i Jesosy dia porofon’ny fankahalana ao am-pon’ny olombelona, ary fandresen’ny fitiavana manoloana ny fankahalana.