Alarobia 2 Avrily 2025
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
Ny vahoaka Israely dia nandevozina nandritra ny taonjato maromaro teo ambany vahohon’ny farao, mpanjakan’i Egypta : hanafaka azy amin-kery Andriamanitra. Hihatra amin’i Egypta sy ny zanaka lahimatoan’ny ankohonany isanisany ny loza farany amin’ireo loza folo. Fa ny Israelita kosa dia nanana fiarovana : ny ran’ny zanak’ondry iray dia tsy maintsy nahosotra teo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranony. Niteny tamin’izy ireo Andriamanitra hoe : „Raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo”. Voaro tamin’ny fitsarana hiantonta amin’i Egypta ny Zanak’Israely ; ary afaka nihinana ny zanak’ondry tsy maintsy natao sorona hiarovana azy ireo : io no „Paska” voalohany, teny midika hoe „handalo [eo ambony]” (Eksodosy 12), tsy maintsy hotsarovana ka hankalazaina isantaona any Israely.
Vanimpotoana vaovao, ankehitriny, no manomboka ho an’izay mipetraka, amin’ny finoana, eo ambany fiarovan’ny ran’ny Tompo Jesosy. Toy ny anisantsika ny taona iainantsika nanomboka tamin’ny nahaterahantsika, amin’Andriamanitra ny „tena fiainantsika” dia manomboka amin’ny andro „nahaterahantsika indray”. Nanomboka tamin’io daty io ny mpino dia nafahana tamin’ny fanandevozan’i Satana ary nampanatonina an’Andriamanitra, Izay maniry hanome azy fiainana „be dia be” (Jaona 10:10).
Ny Testamenta Vaovao dia mampifandray ny tantaran’ny Paska voalohany tany Egypta sy ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ary mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika : „Fa voavono Kristy, Paska ho antsika ; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana” (1 Korintiana 5:7-8). Io fiainam-baovao io dia „andro firavoravoana” (fety), iainana ao amin’ny fiombonana sy ny fanakaikezana an’Andriamanitra, ary amin’ny faniriana hanao izay hahafaly sy hanome haja Azy.