Talata 1 Avrily 2025
Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka novonjeny tamin’ny fahatereny. Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, ary notosany ny fatorany. Aoka hidera an’i Jehovah ireo, noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona ! Salamo 107:13-15
Sylvain, voafonja voaheloka higadra mandra-pahafatiny, dia nitantara hoe :
„Nandritra ny folo taona aho dia namolavola tetika hahafahako mandositra hiala tamin’ity toerana mahatsiravina ity —folo taona feno tetika valy faty sy fankahalana ny fiarahamonina sy ny zanak’olombelona ! Folo taona nanofinofisako andro aman’alina fiainana ivelan’ireto rindrina matroka ireto.
Indray andro aho dia nanokatra ny radio ka tojo fandaharana momba ny Baiboly. Izao teny izao no novakina sy nohazavaina : „Izay rehetra manota dia andevon’ny ota… Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:34, 36). Tamin’io fotoana io aho dia voakasika tao amin’ny foko lalina indrindra tao, ary nahatsiaro fa efa nampianarin’ny reniko ahy izany. Ny marina dia hoe babon’ny herin’ny ota tao anatiko sy ny fitsiriritako ary i Satana aho. Toy ny niteny tamiko Andriamanitra hoe :
— Gadra tokoa ianao, nefa ny tena fonjanao dia tsy ireto rindrina ireto velively. Ny marina dia hoe ny fanahinao no voagadra, ary andevon’ny ratsy ianao.
Nandohalika aho, nitomany ary nangataka tamin’Andriamanitra hoe :
— Mamelà ny heloko ! Afaho aho !
Dia sambany aho teo amin’ny fiainako no nahatsapa ny maha akaiky an’Andriamanitra. Fiadanana lalina no nameno ahy : afaka aho ! Nafoiko ireo tetika handosirako. Izao aho dia te hanompo an’Andriamanitra, eto amin’ity fonja ity.”
Tonga tetỳ an-tany Jesosy „hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo… hitory fandefasana amin’ny mpifatotra… sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina” (Lioka 4:18).