Alatsinainy 31 Marsa 2025
Avy any [an-danitra] koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika, ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny. Filipiana 3:20-21
Dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:17
Jesosy dia nampanantena ny olony toerana miaraka aminy any am-paradisa : „Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro… Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:2-3).
— Rahoviana Jesosy no ho avy indray ? Tsy nanome daty voafaritra mazava Izy, nefa niteny hoe : „Indro avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:12). Aza hadinointsika fa „ny indray andro, amin’ny Tompo, dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro” (2 Petera 3:8). Izany toejavatra izany dia hitranga alohan’ireo fitsarana any am-parany : „Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao, ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” (Apokalypsy 3:10).
— Ahoana ny fomba hiverenany ? „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra” (1 Tesaloniana 4:16).
— Ahoana ny fomba hakany antsika ? „Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka” (1 Tesaloniana 4:16-17).
— Ahoana ny fomba iandrasantsika Azy ? „Miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora” (Matio 25:13). „Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra… hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:5-7).