Alahady 30 Marsa 2025
Izy (Kristy) no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy. Kolosiana 1:18
Ahoana ny „hisafidianana” fivoriana kristiana ? Fanontaniana miverimberina eo amin’ny mpino izany.
Raha mino aho fa Jesosy no Lohan’ny Fiangonana, ny mari-pitsarana voalohany dia tsy tokony ho izay fahatsapako, na izay fihetseham-poko, na izay tiako na tsy tiako, fa izay sitrany. Ny hoe mivory „amin’ny anaran’ny Tompo” (Matio 18:20) dia hoe manatona Azy sy manaiky ny fahefany tsy hay refesina.
Ahoana no tokony hisehoan’izany amin’ny fomba azo tsapain-tanana ? Voalohany indrindra, dia amin’ny fanajana ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, izay torolalana ampy sy hany hahafantarana ny fihevitr’Andriamanitra. Izany dia aseho-na fiainam-piangonana tarihin’ireo fampianarana ara-Baiboly, ka tsy mitady „hamboamboatra” izany mba hifanitsy kokoa amin’ireo fihevitsika manokana.
Izany dia miseho koa amin’ny fitokiana amin’Andriamanitra, mba hiasa malalaka ny Fanahy Masina ao amin’ny fiangonana, indrindra mandritra ireo fivoriana. Tsy misy zavatra noheverina na nalamina mialoha, ankinina amin’olona „matihanina” ara-pivavahana mampiseho fomba fanao eo anatrehana vahoaka ; dia tena afaka miasa malalaka ny Fanahy Masina : „Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy, araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12:11).
Farany, raha fiangonana kristiana araka an’Andriamanitra, dia tompon’andraikitra handray ny fahamarinana sy hampitandrina ireo izay mandà izany amin’ny fampianarany na ny fitondrantenany. Tsy afaka ekeny ny fampiraisana ny anaran’ny Tompo amin’izay tsy mifanaraka amin’ny Teniny.
Ndao hikatsaka, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Baiboly, ireo fampianarana omen’Andriamanitra antsika ho an’ny fiainam-piangonana, ary hangataka aminy ny hery hiainana izany.
(tapitra)