Asabotsy 29 Marsa 2025
(Hoy Jesosy :) Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho. Matio 18:20
Jesosy ho faty… mba hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray. Jaona 11:51-52
Asehon’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra dia maniry ny hiarahan’ireo zanany. Misy kristiana sasany, tsy mahatsapa hoe mila miangona isam-potoana ; toa tsy mahamanina azy akory izany, ary toa mety tsara aminy ny miaina samirery ny fiainana maha kristiana azy. Nefa dia diso zavatra iray tena lehibe izy ireny, ary tsy mandray tombontsoa sy fitahiana tian’Andriamanitra homena antsika.
Ny fivorian’ny kristiana manodidina ny Tompo Jesosy dia fotoana mameno ny fo, mitondra fifaliana sy fiadanana tsy hita any an-kafa. Rehefa mijanona irery dia tsy manome ho an’ny Tompo ny hafaliana mahita ny olony manodidina Azy, eo amin’ny fanatrehany, mba hidera Azy sy hahatsiaro ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray.
Misy hafa mijanona ho irery satria kivy tamin’ny fitondrantena-na kristiana, ny hosoka ara-bola, ny fahavetavetana, kivy noho ny safotofoto hitany teo amin’ireo rafitra ara-pivavahana. Zavamisy mampalahelo mantsy izany, ary manome henatra ireo izay tia ny Tompo.
Ndao hangataka an’Andriamanitra mba hampiseho amintsika ny sitrapony, hanambara Aminy ny tena faniriantsika ho tafaraka amina kristiana hafa, izay „miantso ny Tompo amin’ny fo madio” (2 Timoty 2:22). Ndao hiara-miangona amin’izy ireny, tsy mihambo, ary manaiky ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny zon’ny Tompo amin’ny Fiangonany. Izay tia ny Tompo sy tsy te hitoetra irery intsony dia hahita lalana efa nomaniny, ka ho tafahaona amina mpino hafa izay mitovy faniriana aminy. Afaka mitoky Aminy ny amin’izany isika.
(rahampitso ny farany)