Zoma 28 Marsa 2025

Miteny ihany izy, nefa tsy manao. Matio 23:3

Dia hoy ireo taminy : Iza moa Ianao ? Hoy Jesosy taminy : Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany. Jaona 8:25

Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. Matio 12:34

 

Iza no miteny amiko ?

„Ity dia hafatra voabaiko handeha ho azy : misaotra anao tsy hamaly azy ity !” Io hafatra io dia milaza amiko fa ravo izy ireo, naharay ny fanafarana entana nataoko, ary faly izy ireo, milaza amiko fa efa voatana an-tsoratra tsara izany.

Ao amin’ny findaiko dia misy feo „ivelany” manao amiko hoe : „Miala tsiny izahay fa tsy afaka mamaly ny antsonao”.

Fa iza moa io miala tsiny io ? ary iza io faly io ? Ireo fihetsehampo marobe ireo dia tsy tsapan’iza na iza akory, satria ao ambadik’ireny hafatra hoe „miala tsiny” na „faly” ireny dia tsy misy afa-tsy horonam-peo. Ny tontolo an-tsaina, tontolo foronina, dia toa nahavery be dia be ny toetra maha an’olombelona ny teny.

Fa Andriamanitra kosa rehefa miteny amintsika, dia tsy mba amina feo „ivelany”, na amina hafatra voabaiko handeha ho azy. Ao ambadik’izay rehetra lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, dia ao ny fony, mitepo ho antsika. Izay nambaran’i Jesosy sy voatahiry ao amin’ireo filazantsara dia tsy teny notononiny imolotra fotsiny, fa hafatra irotsahany tanteraka ho tompon’andraikitra. Jesosy dia tsy miandry anao hamoaka teny itovizan’ny olona rehetra, na ara-pahalalam-pomba, toy ny hoe : „Faly aho”, „miala tsiny aho”… ; fa valiny vokatry ny fonao, noho ny fitiavan-dehibe nitiavany anao. Lehibe aoka izany mantsy ny fitiavany anao, hany ka maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hamonjeny anao.

„Ny tenin’i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy ka mitsoriaka amin’ny tany, eny, voadio impito” (Salamo 12:6).

„Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3).

„Aoka… handre ny feonao aho” (Tononkiran’i Solomona 2:14).