Alakamisy 27 Marsa 2025

(Hoy Jesosy :) Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Matio 4:4

Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

 

Fanehoana an-tsary vitsivitsy ao amin’ny Baiboly

Andriamanitra dia mampiasa kisarisary mba hiresahany amintsika ny atao hoe Teniny, sy izay aterak’izany eo amin’ny fiainantsika :

— Ny voa afafy, izay miteraka aina, sy ny ranonorana mampitsimoka azy :

„Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra” (Lioka 8:11).

„Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny teniko” (Isaia 55:10-11).

— Ny mofo ilain’ny fanahintsika : „Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Matio 4:4).

— Ny fitaratra mampiseho amintsika ny maha isika antsika : „Raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy” (Jakoba 1:23).

— Ny fanilo, mba hitondra antsika amin’ny lalana mahitsy : „Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:105).

— Ny rano anadiovan’ny Tompo antsika : „Tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny” (Efesiana 5:25-26).

— Fiadiana iarovantsika tena amin’ny fanafihana sy ampandosirana ny fahavalo : „Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha, sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy” (Efesiana 6:17).

— Ny harena sarobidy mampanankarena antsika : „Izany no itiavako ny didinao, mihoatra noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza” (Salamo 119:127).