Alarobia 26 Marsa 2025
(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy. Jaona 6:37-38
Namaky ny Baiboly aho, ka :
— nahita hoe iza moa Andriamanitra, inona no nataony, ary inona no nambarany tamin’ny olona. Takatro fa velona mandrakizay Izy, tsy miova, mahafantatra ny zavatra rehetra, mahita ny zavatra rehetra, mirakitra ny zavatra rehetra. Tsara fo Izy, marina, masina, mahery, hendry, mahari-po… tsy misy fetra.
— nahita hoe iza moa aho, zavamananaina tia tena sy mpiavonavona, tsy rototra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Te hiaina tsy miraharaha Ilay Mpahary ahy aho. Tsy nahay nankasitraka aho, meloka eo anatrehany.
— nahita hoe inona no natolotr’Andriamanitra ahy : ny famelan-keloka, ny fiadanany. Tsy nisy na inona na inona tokony nataoko na tokony nefaiko. Efa niandraiketan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. Natolony ny Onitra lehibe indrindra, dia Jesosy Kristy Zanany, tonga avy any an-danitra ho etỳ an-tany, mba hiresaka amintsika an’Ilay Andriamanitra fitiavana.
— nahita ny fanekena ny fahasoavany : tsy fahombiazana ny fiainako eo anatrehan’Andriamanitra. Nitodika taminy aho, araka ny maha izaho ahy. Nino aho fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy mba hamonjy ahy. Nangatahiko Andriamanitra mba hamela heloka ahy. Ary satria Izy tsy manosi-bohontanana na oviana na oviana izay manatona Azy am-pahitsiana, dia namela ny heloko rehetra.
— nahita hoe nanangana ahy ho zanany Andriamanitra : ankehitriny dia fantatro fa voasasan’ny ran’i Jesosy aho, afaka amin’ny fahotako rehetra. Madio aho, mangarahara, afaka miatrika ny fijerin’Andriamanitra, Izay masina indrindra. Manoatra noho izany aza, nomeny ahy „ny fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16), nanjary zanany aho, anisana ankohonana vaovao. Fiainam-baovao ny fiainako, ao amin’ny fifalian’ny Tompo !
„Endre ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:1).