Talata 25 Marsa 2025
Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena (ny Tenan’i Kristy), fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena ; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena. 1 Korintiana 12:25-26
Tsy mora mandrakariva ny mampihatra ny fampianarana atolotry ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany, na dia ao anatin’ny vondrona kristiana ivoriantsika mahazatra fotsiny aza. Isika anefa dia antsoina mba hiaina io fampianarana io miaraka amin’ny kristiana rehetra. Tian’ny Tompo ho tsapantsika ny halehiben’ny ankohonan’Andriamanitra sy ny mampiray antsika amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra, na ireo fantatsika na tsia, na inona na inona fiaviany, ara-kolontsaina na ara-piarahamonina.
Mba haintsika ihany koa ve ny mihevitra ireo kristiana ampifanenan’Andriamanitra amintsika amina fotoana iray mandalo ? Ny sasany amin’ireny dia mety hihevitra ny tenany ho tsy azon’ny mpino hafa, na koa aza mety hanam-pahasahiranana eo amin’ny fiarahamonina ankehitriny. Izy ireny anefa dia zanak’Andriamanitra manan-danja eo anatrehany, zanak’Ilay nanome „ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:16). Tia azy ireny Andriamanitra, ka izaho ve mba mangoraka azy ireny manirery, mijaly, azom-pahasahirana ? Izaho ve, tsy mametra-kevitra mialoha, mba mihevitra azy ireny ho rahalahy sy anabavy tian’Andriamanitra ?
Any amina toerana maro dia enjehina ny kristiana, ny sasany an-karihary sy an-kerisetra, ny hafa miaritra eso na hetraketraka ; mila ny fanohanantsika izy ireny. Noho izany dia natao ho an’ny tsirairay ny fampirisihana hoe : „Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana” (Galatiana 6:10). „Na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka, na dia eran’ny kapoaka ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany” (Matio 10:42).