Alatsinainy 24 Marsa 2025
Ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 1 Korintiana 12:12
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony. 1 Korintiana 12:18
Ny Fiangonana dia voarafitr’ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy, ary mifamatotra aminy sy miaraka, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Vondrona velona ny Fiangonana, vatana iray voarafitry ny mpikambana ao aminy. Ampiasain’ny Baiboly ny kisarisarin’ny vatan’olombelona, mba hanoritana fiasa mirindra, ary na vatana iray ihany aza io, dia mifamatotra akaiky sady miara-miasa ny rantsambatana rehetra ao. Miasa an-kalalahana ao anatin’io vondrona velona io ny Fanahin’Andriamanitra, mba handrindra ny fitambarany. Napetrak’Andriamanitra eo amin’izay tiany ny mpikambana, dia ny kristiana, araka ny anjara asan’ny tsirairay, ny fahaiza-manaony, ny andraikiny. Toy ny ao amin’ny vatan’olombelona, dia tsy misy tsy ilaina ao amin’io vondrona io, na iray aza ; ny olona rehetra, na ireo miafina indrindra aza, dia samy manana ny lanjany eo amin’ny fampandehanana ny Fiangonana.
Indrisy anefa fa matetika ny kristiana dia te handrindra ny zavatra araka izay tiany, mamorona hala-tahaka ho an’io vondrona io, amin’ny endrika fikambanana misy ambaratongam-pahefana, manana ireo fitsipiny sy fomba fanaony. Mety manarakaraka ihany ny Tenin’Andriamanitra ireo fikambanana ireo, saingy mitoetra ho rafitra arindran’olombelona, na dia mitondra ny anarana hoe Fiangonana aza. Mpino maro mahitsy fo, izay tia ny Tompo, no mifamory ao, nefa ve ireo fikambanana ireo manaraka mandrakariva ny fampianaran’ny Baiboly ?
Ry namana kristiana, mbola afaka atao ankehitriny ny miaina ny maha zavamisy ny fiainan’ny Tenan’i Kristy ampiharina. Kristy no Lehibeny, „Lohany”, ary hatorony antsika ny lalany, raha toa isika matoky Azy sy mikatsaka ny sitrapony momba izany.
(hitohy)