Alahady 23 Marsa 2025

… ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana. 1 Timoty 3:15

 

Ny Fiangonana : tranon’ny kristiana sa tranon’Andriamanitra ? (2)

Inona no hiheveranao olona iray asainao ao an-tranonao, ka raha vao tonga dia manapa-kevitra hisolo toerana anao handahatra ny fandehan’ny takariva, ny fandaminana ny sakafo, ny toerana ipetrahan’ny olona tsirairay nasainao, ny mozika hohenoina… ? Hiteny anakampo ianao, ary rariny izany, hoe olona tena ratsy taiza izy io, mandray ara-bakiteny loatra ilay fiteny hoe „Ataovy tahaka ny any aminareo” !

Nefa ve isika indraindray tsy manao fihetsika toy izany ao am-piangonana, izay tranon’Andriamanitra ?

Ny tranon’Andriamanitra dia antsoin’i Jesosy hoe „ny fiangonako” (Matio 16:18), ilay nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Sarany lafo aoka izany no nefainy, ka mampihataka avy hatrany ny hambon’ny olona te hanorina Fiangonana azy ireo manokana. An’i Kristy ny Fiangonana, ary Izy no manorina azy.

Misy lahatsoratra hafa ao amin’ny Baiboly, miresaka momba „ny Fiangonan’Andriamanitra”, mampiseho koa, voalohany indrindra, fa tsy tranon’ny kristiana ny Fiangonana : alohan’ny zavatra rehetra dia tranon’Andriamanitra ny Fiangonana. Ao am-piangonana dia ao an-tranony isika, fa tsy ao an-tranontsika.

Koa tsy apetraka ho araka izay tiantsika, izany, ny fizotran’ny ao am-piangonana : isika dia tokony hikatsaka ny sitrapon’ny Tompon-trano, izany hoe Andriamanitra mihitsy. Namela ny fiheviny momba io lohahevitra lehibe io Izy, ao amin’ny Baiboly, mba „hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’Andriamanitra, dia ny fiangonan’Andriamanitra velona”.

Ry kristiana, isika rehetra dia apetraka avokoa eo anoloan’ny fanontaniana fototra hoe : te hiaina ny Fiangonana amin’ny fombantsika ve isika, mihevitra fa ao an-tranontsika ? sa te hanome voninahitra Ilay Tompony ?

(rahampitso ny tohiny)