Asabotsy 22 Marsa 2025
Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy. 1 Korintiana 12:27
(Hoy Jesosy :) Haoriko ny fiangonako (na Eglizy). Matio 16:18
Ny teny hoe „fiangonana” dia misy dikany roa miavaka tsara. Amin’ny fiteny mahazatra, ny hoe „fiangonana” dia manondro trano iray anaovana fivoriana sy fomba fanao kristiana. Raha itarina, dia resahina indraindray ny hoe „fiangonana isan-toerana”, mba ilazana ny kristiana mihaona isam-potoana ao.
Nefa rehefa niteny tamin’i Petera i Jesosy hoe : „Haoriko ny fiangonako”, na rehefa nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy” (Efesiana 5:25), dia tsy trano no resahiny, na fivondronana kristiana manokana, fa ny fitambaran’ny mpino rehetra nateraka indray, ireo izay mino an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy azy ireo. Raha ny marina, dia io Fiangonana io no hany eken’Andriamanitra : iray izy io, voarafitr’ireo mpino rehetra ireo.
Efa 2000 taona izao, ny tontolo kristiana dia nizarazara ho antokotoko marobe, samy manindrahindra ny mampiavaka azy manokana, ary matetika maka ny anarana hoe „Fiangonan’i…” arahina teny milaza toerana, na firenena, na koa fombafomba na foto-pampianarana manokana. Ny tsirairay amin’ireo fiangonana ireo dia manana ny anarany, ny lisitry ny mpikambana ao aminy, ny fombafomba fidirana ao aminy…
Nefa raha mijery izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mahita fa ny mpino dia anisana zava-mandrafitra tokana, dia ilay Fiangonana manerana izao tontolo izao, „ny Fiangonan’Andriamanitra velona” (1 Timoty 3:15), ny „Tenan’i Kristy” (Efesiana 5:30). Ny Baiboly dia tsy nihevitra velively „fiangonana” maro samy hafa hampizarazara ny kristia-na, araka ny fihetsehampony na ny fiaviany ; samy anisan’ilay Fiangonana tokana izy rehetra. Mbola manan-kery hatrany io fahamarinana fototra io.
(rahampitso ny tohiny)