Zoma 21 Marsa 2025

Nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano… ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Asan’ny Apostoly 20:20-21

 

Ny hoe mino an’i Jesosy, dia ny mitoky aminy (2)

Hitantsika omaly ny ilàna mibebaka mba hananana fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra. Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony, ny apostoly Paoly dia miresaka momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Inona moa no atao hoe mino an’i Jesosy ? Izany aloha dia ny mino fa Izy no IIay nambarany hoe ny Mesia, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izany koa dia ny mino fa nanafaka antsika ho afaka amin’ny fahotantsika Izy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ny hoe mino an’i Jesosy dia ny mitoky aminy koa.

Alaivo sary an-tsaina anie, hoe eo an-tampona hantsana avo be ianao ary tafintohina. Eny am-pianjerana ianao dia mahatazana fakan-kazo mafy iray, mifahatra eo amin’ny sisin’ilay hantsana. Ahoana no hahafahan’io fakan-kazo io hamonjy anao ? Raha resy lahatra ianao fa afaka mihazona anao io, nefa tsy atsotranao ny tananao hanakatra azy, dia ho very ianao. Raha toa kosa ianao miahiahy ny amin’ny hamafin’io fakan-kazo io, nefa atsotranao ihany ny tananao, na izany aza, mba hamikiranao aminy, dia ho avotra ianao. Ny mamonjy anao dia tsy ny haben’ny finoanao tsy akory, fa ny hamafin’ilay itokisanao.

Raiso ny tanan’i Jesosy. Ho amin’izany dia tsy mila miandry ianao hoe efa foana avokoa ny fiahiahianao sy tahotrao. Ny finoana dia manomboka amin’ny fotoana andavanao izay nitokisanao, mba hitodihanao amin’i Jesosy sy hilazanao aminy hoe : „Tompo ô, vonjeo aho”. Dia hataony izany.

(tapitra)