Alakamisy 20 Marsa 2025
Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4
Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra, miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana ; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao. 2 Korintiana 7:10
Ny fibebahana dia tsy asam-pivalozana, izay fijaliana an-tsitrapo, tsy famaizana atao amin’ny tena satria nanota. Tsy nenina ihany koa ny fibebahana. Ny nenina dia mahatonga ahy hanenina noho ny vokatry ny nataoko ; fa amin’ny fibebahana kosa aho dia manenina noho ny nataoko mihitsy.
Ny fibebahana dia tsy fanamelohan-tena ihany koa. Mety hankahala tena isika noho ny fahadisoantsika, saingy ny fanamelohan-tena dia vao mainka manokatra ny ratran’ny fahamelohana sy ny famoizampo.
Ny ota ao anatintsika no tokony hankahalaintsika, fa tsy ny tenantsika. Ankahalao ireo fomba ratsy amin’izay nataonao, ireo fihevitrao ivelambelany, ireo firehetam-po mahameloka anao, ireo lainganao, ny fitsiriritanao, nefa aza ankahalaina ny tenanao, izay noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra.
Koa inona àry izany no atao hoe fibebahana ?
— Faharesen-dahatra ny amin’ny ota, tahaka takelaby miteny amintsika hoe : „Diso lalana ianao, mijanòna, mijere, mihainoa, miovà fizotra !”
— Fihetsehampo feno alahelo tsy manosika antsika ho any amin’ny fahafatesana, fa ho any amin’ny fiainana, satria omban’ny faniriana hitsahatra tsy hanao ratsy intsony.
— Fiovana ao amin’ny saina, fihetsika ary fomba fanaontsika. Mitovy hevitra amin’Andriamanitra isika : mendrika homelohiny ; ary mitodika aminy isika, mitoky amin’ny hamorampony sy ny famelany heloka.
Ny hamorampon’Andriamanitra no manosika antsika ho amin’ny fibebahana, izay miara-dalana amin’ny finoana ny Tompo Jesosy Kristy. Nefa tsy ny fibebahana no mamonjy antsika, na ny finoana aza, fa Jesosy.
(hitohy)