Alarobia 19 Marsa 2025
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 1 Samoela 1:27
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo Jaona 16:24
Niaina tany Corée avaratra niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Hae Woo. Rehefa nipoaka ny adin’i Corée tamin’ny taona 1950, dia voantso ho dokotera miaramila ny rainy, ary tsy hitany intsony. Dia nalain’ny reniny izy mirahavavy zanany, i Hae Woo sy ny rahavaviny, ary nandeha an-tongotra efa ho roa volana izy ireo, mandra-pahatongany tany amin’ny sisintany sinoa, tao anivon’ny daroka baomba sy olona matin’ny mosary sy harerahana, mba handositra ny fireneny fehezina fitondrana jadona.
Indray andro i Hae Woo dia nahatsikaritra fa niambozona rojo nisy hazofijaliana kely ny reniny. Nanontaniany izy, ary nanafina ny firavany ny reniny sady namaly azy hoe : „Mangìna, aza miteniteny momba io, na amin’iza na amin’iza !” Nitana ny teniny i Hae Woo. Tatỳ aoriana izy dia nanoratra hoe : „Tsy niteny tamiko mihitsy ny reniko hoe kristiana, nefa niavaka tamin’ny olona hafa rehetra izy… Rehefa mikarakara sakafo izy dia mingonongonona teny mila tsy ho re… Fantatro ankehitriny fa nivavaka izy”.
Tatỳ aoriana i Hae Woo dia niova fo ho an’i Kristy, tany Corée atsimo, izay nahafahany nifindra monina. Nanoratra momba izany izy hoe : „Nivavaka ho ahy ny reniko, azoko antoka izany”. Takany fa kristiana ny reniny, tany Corée avaratra, izay nanagadrana sy nidarohana azy, talohan’ny niaretany ny loza sy antambo tany amin’ireo toby „fanarenana”, izay nivavahany hoe : „Tompo ô, aza avela ho faty aho, alohan’ny hahafahako miteny amin’izao tontolo izao”.
Toa an’i Hana, ao amin’ny Baiboly, izay nivavaka ho an’i Samoela zanany dieny izy mbola kely, ny renin’i Hae Woo dia nivavaka ho an’ny zanany vavy. Izay reny mivavaka ho an’ny zanany sy mikarakara ny fanahiny dia azo antoka fa manomana fiaingana tsara ho azy ireo, eo amin’ny fiainana maha kristiana.