Talata 18 Marsa 2025
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina ; ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. 1 Jaona 5:20
Kanefa raha izaho (Joba), dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy. Joba 19:25
Ny Baiboly dia mitatitra fanambarana nataona mpino naneho ny fahareseny lahatra, miorina amina finoana tena izy.
— „Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy” (2 Timoty 1:12). Amin’izany ny apostoly Paoly dia nanambara fatokiana tsy misy fetra an’i Jesosy Tompony.
— Ilay vehivavy Samaritana dia nitantara tamin’ireo mpiara-monina aminy izay nambaran’i Jesosy azy teo am-pantsakan’i Sykara. Taorianan’izany dia niteny taminy izy ireo hoe : „Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” (Jaona 4:42). Ny „fahafantaran’izy ireo” dia avy amin’ny hoe izy ireo mihitsy no nandre ny tenin’i Jesosy. Izany no vokatra fihaonana manokana amin’ny Tompo.
— Torotoro-na fitsapana mamaivay tao amin’ny ankohonany sy ny fahasalamany i Joba, ka nahatakatra fa manana Mpanavotra velona (andinin-tSoratra Masina androany). Azony antoka fa hitsangana velona indray izy, indray andro any, ary hiseho eo anatrehan’Andriamanitra, Ilay nanavotra azy sy nanome azy ny fiainana mandrakizay.
Izany fahalalana izany, izany fahaizana izany, dia tsy hoe ny naharaisana zava-pantatra fotsiny, fa fanambarana faharesen-dahatra lalina, avy amina finoana mifahatra mafy amin’Andriamanitra. Isika koa dia afaka manana fahazoana antoka toy izany. Hazavain’ny apostoly Jaona hoe inona moa io finoana io, ary ahoana ny fomba ahazoana azy. „Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).
„Dinihinareo ny Soratra Masina (hoy Jesosy)… ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).