Alatsinainy 17 Marsa 2025
Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa. 1 Jaona 5:19
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Romana 13:1
Mateti-pitranga eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ny fiampangana ny fahefana sy fitsipahana mahery vaika indraindray. Mihamitombo ny tsy fanekena ny manampahefana, tsy fanekena sarontsaronina hoe fahafahan’ny isambatanolona, fiarovana ny zo efa azo.
Raha tsy misy fahefana anefa, dia tsy hisy fiainam-piarahamonina vanona : mitaky fisiana fahefana avokoa ny fifandraisan’ny samy olona, na ara-pianakaviana izany na ara-piarahamonina, na eo amin’ny sehatry ny firenena na iraisam-pirenena.
Ambaran’ny Baiboly antsika fa raha tsy eo ny fahefan’Andriamanitra, dia tsy ho naharitra izao tontolo rehetra voalamina izao. „Izy… no… mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” (Hebreo 1:3).
Ankoatra izany, ny fahefana rehetra eto an-tany dia avy amin’Andriamanitra (jereo ny andinin-tSoratra Masina androany), na dia tsy tonga saina ny amin’izany sy tsy miraharaha izany aza ireo manana ny fahefana, manoloana toejavatra maro, rehefa mandray fanapahan-kevitra.
Ampianarin’ny Baiboly isika hanaiky ny manampahefana mifehy antsika. Tsy misy fetra ve io fanekena io ? Misy fetra : raha toa izany manohitra ny fahefan’Andriamanitra, dia „Andriamanitra no tokony hekena, mihoatra noho ny olona” (Asan’ny Apostoly 5:29).
Ny kristiana dia antsoina mba hankatò an’Andriamanitra aloha, voalohany indrindra, ary hanaiky izay mety ho vokatr’izany. Izy dia tsy mikomy amin’ny fahefan’ny mpitondra, izay mitoetra ho avy amin’Andriamanitra, na mivaona aza.
Ny apostoly Paoly dia niaina teo ambany fahefan’ny amperora Néron, izay nanenjika ny kristiana. Nefa nampirisihiny izy ireo hivavaka „ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra” (1 Timoty 2:2).