Alahady 16 Marsa 2025

Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra ? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’i Jehovah ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany. Fitomaniana 1:12

 

Ireo teny 7 teo amin’ny hazofijaliana (9)

Famintinana Impito no niantefa tamintsika ny feon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana : - ny vavaka nataony ho an’ireo izay nanombo Azy ; - ny nampanantenany ny paradisa ho an’ilay jiolahy nibebaka ; - ny teny nanorenany rohy mamy teo amin’ireo izay Azy, amin’ny maha Andriamanitra sy maha an’ny lanitra Azy ; - ny hiakam-pahoriany, taorianan’ireo ora nahafoizana Azy, ora niaretany ny fahatezeran’Andriamanitra ; - ny teny nilaza hetaheta mafy ara-toe-panahy, vokatry ny fijaliany noho ny nanonerany ny fahotana ; - ny hiakam-pandreseny, nanambara fa vita tanteraka ny asa nasain’Andriamanitra notontosainy ; - ary teny farany nataon’Ilay Mpamonjy nanankina ny tenany tamin’ny Rainy, nanolotra taminy ny fanahiny. Ny hazofijalian’i Jesosy… tsinontsinona aminao ve ? Mitory ny fitiavany tsy misy fetra ny hazofijaliany, ary mbola miteny amin’ny tsirairay hoe : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao.” Vita tanteraka ny asam-pahasoavana, Misandratra amin’izay ny hiakam-pandresena. Maty ny Tompo, dia niondrika ny lohany ; Nandresy Izy. Vita.

 

Nosotroiny ny kapoaka. Natolony tam-piadanana ny ainy. Nankasitraka Azy tanteraka Andriamanitra. Nomem-boninahitra Izy, ka nanome voninahitra An’Ilay Lehilahy lavorary. Vita.

 

Ny olombelona very, mahantra, tao anaty lavaka lalina Dia nahita fa nofoanan’i Jesosy ny ota. Mba hanefany ny tambin’izany, tambiny mampihoron-koditra, Dia nijaly Izy. Vita.