Asabotsy 15 Marsa 2025
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. 3 Jaona 4
Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana). Efesiana 5:8-9
Ny Baiboly dia matetika mampiasa sarin-teny. Miteny izy eto hoe „mandeha”, mba hilazany ny fomba fiainantsika. Ny resahina eto dia hoe mandeha amin’ny fahazavana sy ny fitiavana, sady araka ny fahamarinana. Misy itovizany ny mandeha araka ny fahamarinana sy ny mandeha ara-batana : manao dingana iray aorianan’ny dingana iray. Ny tontolo androntsika dia feno fifandimbiasana fanapahan-kevitra, teny, fihetsika mety ho marina, na mifanohitra amin’izany, voamariky ny tsy fahitsiana sy ny fihatsarambelatsihy. Isaky ny safidy atao, isam-potoana, dia mihamazava tsikelikely ny toerana misy ny tena, na ao anaty fahamarinana, na ao anaty lainga.
Saingy hay atao ve ny „mandeha araka ny fahamarinana” nefa tsy mino, tsy mitoetra eo ambany fahazavan’ny Tompo ? Iza no mbola tsy nandainga mihitsy, na nanafinafin-javatra ? Ahoana ny fomba handehanana araka ny fahamarinana ? Tsy ampy ny mamaky, na koa aza mitanisa tsy misy diso ny Baiboly. Ilaina ny miaina azy, ary eo amin’ny sehatra rehetra. Vongana iray ny fiainantsika, ary tokony hamirapiratra ao anatiny ny fahamarinana. Tena tiantsika ve raha toa ny fahamarinana mamonto ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika sy mifehy ireo safidiny ? Tiantsika ve raha aharihariny izay rehetra diso na tsy mahitsy eo amin’ny fiainantsika ?
Ndao hitoetra eo ambany fitarihan’ny Tompo sy fijeriny. Dia ho hitantsika raha mitombina na tsia izay ataontsika sy tenenintsika. Ankasitrahiny ve izay ataontsika, izay lazaintsika, ary izay eritreretintsika ihany koa aza ? Mafy ny miaiky fa mety misy fihatsarambelatsihy na zavatra amboamboarina fotsiny eo amin’ny fiainantsika. Nefa izany no lalana ho amin’ny fahafahana, lalana hitondran’ny Fanahy Masina antsika.