Zoma 14 Marsa 2025
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’izay nandre. Hebreo 4:2
Iza moa ireo olona resahina ao amin’io andininy eo ambony io ? Jentilisa lavitra an’Andriamanitra ve ? ary tsy mahalala na inona na inona momba Azy ? Tsia dia tsia ! Andriamanitra, eto, dia miresaka an’ireo olona anisan’ny vahoaka Israely. Fantatr’izy ireo hoe tamin-kery toy inona no nanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fanandevozana tany Egypta, nitondrany azy ireo, ary nanomezany azy ireo ny Teniny. Taranak’i Abrahama izy ireo, ka niezaka hanaraka antsakany sy andavany ny fivavahan’izy ireo, satria izy ireo no „notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny” (Romana 3:2).
Toejavatra mampalahelo anefa no hitan’Andriamanitra : ny teny henony, izay nijanona tao an-tsain’izy ireo, dia tsy nahasoa azy ireo akory.
Etỳ ivelany dia anisan’ny fiainan’izy ireo izany teny izany, arahin’ireo fety ara-pivavahana nodidin’Andriamanitra hankalazaina. Saingy tsy tao ilay fangaro nilaina indrindra, izay maha zava-poana ny fombafomba rehetra, raha tsy eo, dia ny finoana ! Hadinon’izy ireo ny nanampy finoana ny Teny henony nolazain’Andriamanitra azy ireo. Koa tsy nisy vokany izany Teny izany ! Olona mivavaka izy ireo, saingy very !
Tsy toy izany koa ve, ankehitriny, ireo izay milaza ny tenany ho kristiana, nefa tsy izany akory ? Raha tsy manana finoana dia tsy ilaina ny manatrika fotoam-pivavahana, manome ny ampahafolon-karena, manana ao an-tokantrano zavajavatra momba ny fivavahana ! Andriamanitra tsy hay fitahina, satria Izy no Ilay Andriamanitra fahamarinana. Ny andrasany amintsika dia ny hinoantsika izay lazainy antsika. Raha ao an-tsaintsika fotsiny mantsy ny teniny, dia tsy misy ilantsika izany.
„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).