Alakamisy 13 Marsa 2025
Injany ! misy feon’ny miantso mafy any an’efitra hoe : amboary ny làlan’i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany. Marka 1:3
Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ! Jaona 1:29
Ao amin’ny fiandohan’ireo filazantsara dia nirahin’Andriamanitra hankany amin’ny vahoaka Israely i Jaona Mpanao batisa. Mpaminany izy, izany hoe mpitondra teny avy amin’Andriamanitra. Niaina tao anaty firaisam-po akaiky tamin’ny fiheveran’Andriamanitra izy, tany an-taniefitra. Nirahina izy hanomana ny fon’ny Jiosy handray an’i Jesosy, Ilay Mesia, sy hanao batisa azy ireo.
Ahoana tokoa moa no hahafahana mandray ny Zanak’Andriamanitra, raha toa tsy mahatsapa fa mpanota ? manoloana ny fahamasinan’Andriamanitra.
Jaona Mpanao batisa dia nahafantatra fa ny sakana lehibe eo amin’Andriamanitra sy ny olona dia ny tsy fankatoavan’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra. Fantany fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy, no ho tonga mba hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany (Matio 1:21). Nanana adidy i Jaona hanambara izany fanafahana izany amin’ireo izay nibebaka sy natoky ny „halehiben’ny famindrampon’Andriamanitra” (Lioka 1:77-78).
Koa ny mino io famindrampon’Andriamanitra io (io fitserany io) no dingana voalohany mankany amin’ny famonjena, satria Andriamanitra te hamela heloka. Jaona dia nanao batisa ireo izay niteny tamin’Andriamanitra hoe : „Izay ratsy eo imasonao no efa nataoko” (Salamo 51:4).
Efa tonga ny andro nahafahan’i Jaona nampiseho an’i Jesosy, Izay afaka manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, tamin’ireo izay nanaraka azy. Noho izany, ny mpianatr’i Jaona sasantsasany dia nanaraka an’i Jesosy avy hatrany. Fotoana sarobidy indrindra ho azy ireo ! „Nitoetra teo aminy tamin’izany andro izany” izy ireo (Jaona 1:38), ary avy eo dia niresaka tamin’ny namany momba an’i Jesosy, sy nitaona azy ireo hihaona aminy. Anio, amin’ny alalan’izany hafatra izany, Jesosy Ilay Zanak’Andriamanitra dia maneho ny tenany aminao, ary tsy miova na ny fahasoavany na ny tanjony.