Alarobia 12 Marsa 2025
Mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. 2 Timoty 2:22
Na inona na inona marina… manan-kaja… mahitsy… madio… maha te ho tia… tsara laza… dia hevero izany. Filipiana 4:8
Hatramin’ny nisehoan’ny valanaretina Covid-19 dia tsy maintsy nizatra nanaraka ireo fihetsika fiarovana isika : mifanalavitra ara-batana, mitondra aro vava sy orona, misasa tanana, mampivoivoy rivotra ao amin’ny efitra isanisany, sns. Natao ireny fitandremana ireny hanakanana ny fifindran’ny tsimokaretina, hisorohana ny fahafenoan’ny toeram-pitsaboana, ary hamerana ny isan’ny olona maty. Tsy hoe fametrahana sakana eo amin’ny samy olona tsy akory izany, fa kosa fomba iadiana amina fahavalo iombonana, tsimokaretina bitika iray afaka mampihorohoro ny planeta manontolo.
Ry kristiana, isika ihany koa ve tsy tokony hametraka „fihetsika fiarovana” mba tsy hifindran’ny ratsy ? Taomina isika hikatsaka ireo toetra tsara, toy ny fahadiovana, fitiavana, fahamarinana, izany hoe ireo toetran’Andriamanitra. Ny fihetsika voalohany mahomby dia ny „mampivoivoy rivotra” ao amin’ny saintsika, izany hoe mamonto ny tenantsika amin’ny zavamisy any ambony, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra, ary mahita ny fifaliantsika ao amin’i Jesosy Kristy. Izy irery no afaka manome antsika ny hery hanalavirantsika izay rehetra manimba antsika. Ambaran’ny Baiboly tokoa mantsy fa „samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy” (Jakoba 1:14). Koa ny hatao izany dia ny misoroka izay mety hampirehitra ny fironana ratsy ao amintsika : boky, horonantsary na „tranonkala internet” manimba saina, fifaneraserana aman’olona mampiahiahy. Ny Filazantsara aza dia milaza amintsika mba hanaisotra ny masontsika na koa hanapaka ny tanantsika (Matio 5:29-30), izany hoe ho hentitra manapaka ny fifandraisana na fahazarana mety hampanota antsika.
Hahita ny hery mba handosirana ny ratsy isika, raha manovo izany ao amin’Ilay loharanon’ny tsara, dia Jesosy Kristy.