Talata 11 Marsa 2025
Midira amin’ny vavahady èty ianareo ; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. Matio 7:13-14
„Eny an-tanàn-dehibe, tahaka ireo mpamily fiara, ny mpandeha an-tongotra ihany koa dia tsy maintsy manaja ny jiro telo karazana. Eo antsisin-dalana misy andiana mpandeha an-tongotra, miandry ny jiro maitso, mba miampita. Nefa raha misy olona iray miampita —na inona na inona antony- na mbola mena aza ny jiro, dia matetika indrindra izy no mahatarika ampahany amin’ireo izay miandry, hanaraka azy. Tsotra ny antony : maro mantsy ny tsy mijery ny jiro fambara, fa ny ataon’ny hafa. Toy izany koa, matetika dia ny ohatra asehon’ny hafa no arahina eo amin’ny fiainana, fa tsy izay mahitsy sy marina.
Araka izany dia tsy misy amintsika na iray aza, miaina ho an’ny tenany samirery, na amin’ny teniny na amin’ny ataony. Izay rehetra ataontsika sy lazaintsika dia misy avy amina fambara jeren’olona maro.” (araka an’i Philippe Zeissig)
Mihoatra noho izay heverintsika, isika dia voatariky ny fisainan’ny maro an’isa ; koa maika ny ilàn’ny mpianatr’i Jesosy mikatsaka hamantatra izay lazain’i Jesosy.
„Aoka tsy hisy mpianatr’i Jesosy hitoky amin’ny isa, na oviana na oviana… Tery ny lalana arahin’ireo izay mankatò an’i Jesosy. Mora mandalo eo anoloan’io lalana io isika, nefa tsy mahita azy ; dify azy isika matetika. Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinan’i Jesosy, nefa tia ny fahavalon’io fahamarinana io, mitia azy amin’ny fitiavana tsy misy fepetra itiavan’i Jesosy Kristy azy… lalana tery izany.” (Diedrich Bonhoeffer)
Lalana tery sy hazavain’ny fahazavan’ny fitiavan’Andriamanitra. Izay mandeha eo amin’io lalana io dia manjary fambara ihany koa ho an’izay rehetra mahita ny fomba fiainany.