Talata 3 Jona 2025

Sokafy ny vavanao hisolo ny moana. Ohabolana 31:8

Mifanompoa amin’ny fitiavana. Galatiana 5:13

Mifampivavaha… ianareo. Jakoba 5:16

 

Ilay moana

„Sokafy ny vavanao hisolo vava ny moana” : izany no torohevitra ho ana mpanjaka tanora iray, nomen’ny reniny azy. Notaomin’io reny izy hiaro izay tsy mba afaka miteny ho an’ny tenany. Ankoatra ny fampiharana izany mivantana, io torohevitra io dia manana dikany hafa ihany koa, ho ahy kristiana.

Manodidina ahy dia misy olona „moana”, tsy mahay miresaka amin’Andriamanitra. Angamba olona miara-migadra amiko, na miray efitranom-pitsaboana, na mpiara-miasa, mpiara-monina, namana… Anjarako ny misolo azy ireo, miteny amin’Andriamanitra, Izay mahasambatra ahy ny mahafantatra Azy, sy mivavaka mba hahatonga azy ireo hiova fo ho an’i Kristy, voalohany indrindra !

Eo amin’ny manodidina ahy dia mety hisy mpino sahirana amin’ny firesahana amin’Andriamanitra : namana iray kivy izay tsy mahavita mivavaka intsony, mihevitra fa nanadino azy Andriamanitra ; kristiana iray marary izay sakanan’ny fanaintainana na ny hasasarana tsy ho afaka hisaina mandritra ny fotoana mandalo. Koa afaka mivavaka ho azy aho, mamelatra eo amin’Andriamanitra ny toetrany osa, mandra-pahavitany miteny indray, amin’ny heviny ara-panahy. Izay kristiana nanalavitra an’Andriamanitra dia mila vavaka ihany koa. Angamba izy tsy te hivavaka intsony ! Ka tsy hitalaho amin’Andriamanitra àry ve aho, ho an’ny rahalahiko na anabaviko ao amin’i Kristy ? mba hahafahany mamerina indray ny fifampiresahana amin’Ilay Rainy any an-danitra.

Ry kristiana, ilaina ny vavakao, mba hahafahan’ny namanao „moana” miteny na miteny indray sy miresaka amin’Andriamanitra. Aza diso tsy manao izany adidim-pitiavana izany : ny vavaka dia fiasana mahatalanjona nomen’Andriamanitra antsika mba hifanampiantsika !