Asabotsy 8 Marsa 2025

Fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony, ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota. 1 Timoty 1:8-9

 

Ny kristiana sy ny Lalànan’Andriamanitra

Ny fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly, ny Testamenta Taloha, dia mirakitra didy maro : „Aza mamono olona. Aza mijangajanga. Aza mangalatra…” (Eksodosy 20:13-15). Ireny didy ireny no mandrafitra „ny Lalànan’Andriamanitra”.

Tsara io Lalàna io, satria avy amin’Andriamanitra. Izy io dia mampiseho tsy an-kitsitsy amin’ny olona rehetra ny atao hoe ota, nefa mamela ny olona mpanota (izany hoe ny zanak’olombelona rehetra) ho eo ambany fanamelohany. Ny Lalàna dia tsy manana fahefana mihitsy, na kely aza, hamela ny ota izay aharihariny.

Ndao haka ohatra iray : ny sary ako (échographie) dia afaka mampahalala ny fisiana vato ao amin’ny ranonafero ao anaty vatantsika, nefa tsy manala izany ary tsy mampitony ny fanaintainana aterak’izany. Tsy hilaza ny tenany ho sitrana ny marary aorianan’ny fizahana, satria mbola ao ihany ny vato, ary mbola mampijaly azy kokoa hatrany.

Mitovy amin’ny sary ako ny Lalàna. Ny hitiliana izay zavatra tsy mety ihany no ilàna azy. Tsy ao amin’ny Lalàna ny fanafody manasitrana ny ota. Rehefa mampiseho tsy fetezana ao anatin’ny vatana ny sary ara-medikaly, dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ny mpitsabo. Ny Lalàna dia nampahafantatra ny ota ao amin’ny zanak’olombelona, fa Jesosy Kristy kosa no Ilay Mpitsabo avy amin’Andriamanitra. Izay matoky Azy dia hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, satria Jesosy efa nitondra ny sazin’ny fahotan’io olona io. Dia tsy melohin’ny Lalàna intsony izy. Manomboka hatreo izy dia afaka miara-miaina amin’i Jesosy, mba hanao ny tsara.