Zoma 7 Marsa 2025

Fa hoy Jehovah tamin’i Samoela : Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy ; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7

 

Sarontava

Inona no fantatsika momba ireo mpiara-belona amintsika, ary inona no fantatr’izy ireo momba antsika ? Ao ambadiky ny endrika ivelany, izay matetika mamitaka, ny olona tsirairay dia tontolo miafina. Ato anatiko ato, ao anatin’ny olona rehetra, dia misy faniriana marobe, fihetsehampo, fihevitra tsy fantatr’iza na iza. Tena ho gaga isika, mahita hoe alahelo miafina inona no ao ambadiky ny sarontavan’io olona miran-dava ivelany io. Na koa mahafantatra fa ao ambadik’io fahamendrehana lehilahy hajaina aoka izany io dia misy fihevitra tsy vanona sy mahamenatra tsy hainy toherina.

Marina fa amin’ny ankapobeny isika dia tsy mieritreritra loatra izay toe-panahin’ny olona ifaneraserantsika eo amin’ny fiainana andavanandro. Mividy entana amin’ny mpivarotra isika, mampanao zavatra ny mpanao asa tanana, mifanakalo hafatra arak’asa ao amina tambajotra —nefa tsy mitady hamantatra akory ny fihetsehapon’ireo izay mifanerasera amintsika.

Fa Andriamanitra kosa mijery ny fo. „Fahamarinana ao am-po” no sitrany (Salamo 51:6). Halany ny fihatsarambelatsihy, ny hosoka ary ny fahavetavetana. Tsy afaka miafina Azy isika. Tsy izay lazaintsika sy ataontsika ihany no fantany, fa na izay eritreretintsika sy tsapantsika nanomboka tamin’ny fotoana nisiantsika ihany koa aza.

Koa iza àry no mahay manova ny fony ? Tsy misy, ary fantatr’Andriamanitra izany ! (Jeremia 13:23). Koa tonga tao amin’i Jesosy Kristy Zanany Izy, mba hanome fo vaovao ho an’ireo izay mino Azy. „Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra”, hoy Jesosy (Jaona 3:3). Izany fo vaovao izany dia omeny ireo rehetra mahatsapa tena fa mpanota, miaiky izany aminy, ary mibebaka. Dia ho voavela heloka izy ireo, hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra.