Alakamisy 6 Marsa 2025

Finoana no… nanao [van’i Mosesy] ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zavatsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. Hebreo 11:24, 26

 

Tombana tsara sa ratsy

Ny toko faha-11 ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo dia mitanisa olona maromaro nanana toetra ara-Baiboly manasongadina ny finoana. Ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia samy nisedra toejavatra sarotra avokoa, ary indraindray mampivarahontsana. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo, nanao safidy niankinan’ny fiainany manontolo. Nanombana ny safidy nipetraka teo anatrehiny izy ireo, mba handraisany izay fanapahan-kevitra hitany fa tsara indrindra.

„Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery… satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana” (and 11). Ho an’io vehivavy efa zokiolona io dia tsy hay heverina intsony ny hanana anaka, nefa nino izy fa hanatanteraka ny nampanantenainy Andriamanitra, satria Andriamanitra mahatoky.

„Finoana no nanateran’i Abrahama an’i Isaka, raha nozahan-toetra izy… Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza” (and 17-19). Nanome azy fampanantenana azo antoka Andriamanitra : Ilay manome ny aina dia hanangana an’i Isaka ho velona indray. Mosesy (andinin-tSoratra Masina androany) dia nihevitra fa aleo mikambana amina vahoaka nijaly sy natao tsinontsinona, toy izay misitraka ny haja sy fahafinaretana omen’ny toerana nisy azy. Ny hoavy mantsy no nosaintsaininy tsara, izany hoe ny fitahiana homen’Andriamanitra azy.

Eny, tsara halain-tahaka ireo olon’ny finoana ireo, izay nihevitra fa aleo matoky tsy misy fepetra ireo fampanantenan’Andriamanitra, toy izay mitoky amin’ny fahatsapan’ny tena manokana na ny fisaintsainan’ny tena samirery. Ho an’ny olona dia toa hadalana mihitsy izany toe-tsaina izany, fa ny zavatra niainan’ireo mpino ireo kosa dia nanaporofo fa marina ny azy ireo, ary raha araka an’Andriamanitra, dia ny tombana nataon’izy ireo no tsara. Ry kristiana, inona no tombana ataontsika rehefa tokony handray fanapahan-kevitra ?