Alarobia 5 Marsa 2025
Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11
Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha. 1 Jaona 4:19
„„Fa inona no nataoko an’Andriamanitra ?” Izany fehezanteny averimberin’ny olona sasany izany indraindray, rehefa toa mahatsapa izy fa misy vitan-dratsy mianjady aminy, no teneniko moramora ato am-poko lalina, saingy amin’ny heviny mifanohitra amin’izany, hoe : „Fa inona no zavatra mety nataoko, mba hahazoako izao ? Inona no mety nataoko, hahazoako fahasoavana an’arivony isanandro ? Fa nahoana aho no misitraka izao hatsaram-panahin’Andriamanitra rehetra izao ?” Vaka ny saiko, noho izany…
Izaho dia teraka tao amina fianakaviana mihevitra an’Andriamanitra ho tsy hay fantarina, ary manohitra ny fivavahana kristiana. Natao batisa aho araka ny fomba nolovaina, ary angamba ihany koa mba hahafalifaly ny renibeko, izay mpino, nandalo andro vitsivitsy tato aminay. Nanaraka azy namonjy fanompoam-panahy aho, rehefa alahady. Nisisika tao anatiko ny finoana, niditra lalina, na dia nangozohozo sy narefo aza. Nefa finoana tena namahatra io, ary laharan-kamehana voalohany ho ahy ankehitriny. Nahoana aho no tena tia an’Andriamanitra toy izany ? Nahoana no ataon’i Jesosy tsapako ombieny ombieny ny fisiany feno fitiavana eo anilako ? Satria Andriamanitra dia fitiavana ! Tsy mino aho hoe afaka ho „mendrika” na inona na inona avy amin’Andriamanitra ny olona ! Mino marimarina aho fa tsy mendrika na inona na inona isika ; fa Andriamanitra no manome antsika ny zavatra rehetra, noho ny fitiavany antsika tsotra izao ! Mamelombelona ahy izany, mameno ahy, mampifalifaly ahy ary mahafapo ahy, hany ka tsy takatro hoe nahoana loatra no misy olona tsy miraika na mikatona tanteraka amina fahasoavana toy izany !”
Aurélie