Talata 4 Marsa 2025
Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao. Salamo 119:18
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy (Jesosy), dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy. Lioka 24:30-31
Io dia vavaka tokony hataontsika mandrakariva rehefa manokatra ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra.
„Ny lalàna” sy „ny mpaminany”, izay mandrafitra ny Testamenta Taloha, dia nampiana ireo filazantsara sy ireo fampianaran’ny Testamenta Vaovao, ka mbola nampitombo hatrany ny zava-mahagaga ao amin’ny Fanambaran’Andriamanitra ny tenany. Na izany aza anefa, dia tsy ho fantatsika ireo zava-mahagaga ireo, raha tsy Izy Andriamanitra mihitsy no mampahiratra ny masontsika.
„Ampahirato ny masoko.” Ny Baiboly dia ekena maneran-tany ho boky tsy manan-tsahala ; tsy misy asa soratr’olombelona afaka ampitahaina aminy. Izay olona rehetra mahitsy saina dia miaiky fa tena mahaliana ireo tantara ao, tononkalo tsy ho lefy mandrakizay ny Salamo, kanto indrindra ny tantaran’i Jesosy, mahery ny fandrindran-kevitry ny apostoly Paoly. Nefa tsy dia hahita tombony firy, raha mianina amin’izany. Ny „maso mahiratra” dia ny mason’ny finoana, maso mahita ny zava-mahagaga avy amin’Andriamanitra.
Ny Baiboly dia tsy antontan-taratasy sy fandinihana momba ny olona fotsiny ihany, na koa fitaratra maneho ny zanak’olombelona, mihoatra noho ny asa soratra hafa. Fa ankoatra izany, ary alohan’ny zavatra rehetra, ny Baiboly dia fanambaran’Ilay „Andriamanitra maneho ny tenany”. Ny Baiboly dia mampiseho amintsika Ilay Andriamanitra miasa, amin’izay rehetra nataony mba hitarihana ny olona hankeo aminy. Lazain’ny Baiboly antsika ny fihevitr’Andriamanitra momba ny voariny nomeny tombontsoa manokana, voary nania ary tiany hovonjena. Ny Baiboly dia milaza amintsika ireo toetran’Andriamanitra tsy hain’ny zavatra noarìny ampahafantarina antsika, dia ny fahamasinany, ny fahamarinany, fa ny fahasoavany koa. Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa Andriamanitra dia fahazavana, ary Andriamanitra dia fitiavana.