Alatsinainy 3 Marsa 2025
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5-6
Enga anie ilay mpiaro ahy no hanelanelana ny tenako olombelona sy Andriamanitra. Joba 16:21
Indray andro ity profesora ambony iray dia nanontany ny rahalahiny kristiana hoe : „Izaho ve mila mpanelanelana amiko sy Andriamanitra ?”
Mety hihevitra tokoa mantsy isika hoe afaka mifanatrika mivantana amin’Andriamanitra, tsy misy mpanelanelana rehefa hiresaka aminy, na hivavaka aminy. Izany dia lojikan’olombelona, saingy manadino ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahamasinany.
Nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra ny ota. Ahoana no hahafahan’ny olona manana fifandraisana indray amin’Ilay Andriamanitra masina ? Andriamanitra dia naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany, noho „ny amin’ny ota” (Romana 8:3), mba hanonitra ireo fahadisoantsika sy hanome antsika fahafahana manatona malalaka an’Andriamanitra, tsy amin-tahotra ary am-piadanana.
Hoy Jesosy : „Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Izy no hany Mpanalalana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, satria Izy dia Andriamanitra sady olona. Koa amin’ny alalan’i Jesosy, Andriamanitra dia afaka mifandray amin’ny olona, ary ny olona afaka mifandray amin’Andriamanitra. Matoa ny mpino afaka midera sy mitsaoka an’Andriamanitra dia „amin’ny alalany” (Hebreo 13:15). Matoa izy afaka mivavaka amin’Andriamanitra Ray an-kalalahana, dia „amin’ny anarany” (Jaona 16:23).
Izy Jesosy koa, Ilay Mpiandry ondry faratampony, no manolotra amin’Andriamanitra ireo „ondriny”, izay tiany. Tohina Izy amin’izay rehetra mety ho tsapan’izy ireo, ary mametraka eo anatrehan’Andriamanitra Rainy izay ilain’izy ireo. „Mifona” ho azy ireo Izy (Romana 8:34). Raha misy iray very, dia mbola eo hatrany Izy, mandray an-tanana ny raharahany manoloana ny Ray any an-danitra, araka ny maha Solovava Azy (1 Jaona 2:1). Tsy afaka hahita Mpanalalana tsara kokoa noho Izy isika !