Alahady 2 Marsa 2025
Nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy (Jesosy) ka nanao hoe : Ray ô… Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. Jaona 17:1, 4
Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe : Vita ; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. Jaona 19:30
Rehefa avy nanandrana ny vinaingitra Jesosy dia niteny hoe : „Vita”. Io teny io, amin’ny teny grika, dia midika fa nisy trosa voaloa. Tontosa ny asa nanirahana an’i Jesosy, ho an’Andriamanitra sy ho famonjena ny olona.
Ny ota dia faniratsirana an’Andriamanitra ary trosan’ny olombelona amin’Ilay Mpahary azy. Mba hahafahan’Andriamanitra manokatra ny lanitra, izay Azy, sy mandray ny olona ho eo amin’ny fanatrehany masina, dia tsy maintsy efaina aloha io trosa io. Jesosy anefa no nandoa tanteraka azy, tamin’ny nandraisany teo amin’ny tenany ireo fahotana tsy hita isa nataon’ny mpino tamin’ny vanimpotoana rehetra. Izy irery no afaka nandoa izany, tamin’ny niaretany ny fahatezeran’Andriamanitra manontolo, izay mendrika nampiharina tamintsika.
Nefa ambony lavitra noho izany aza, io teny io dia manambara fa tontosa tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra manontolo sy izay rehetra nolazain’ny Soratra Masina.
Nanamatroka ny voninahitr’Andriamanitra ny ota sy ny tsy fankatoavan’ny olombelona. Naverin’i Jesosy tamin’ny laoniny io voninahitra io. Izay rehetra nankinin’ny Rainy taminy, izay antony rehetra nahatongavany tetỳ an-tany, dia tanteraka avokoa nanomboka hatreo, tamin’ny alalan’ilay asa teo amin’ny hazofijaliana, ary ho mandrakizay. Ireo fampanantenan’Andriamanitra, anisan’ireny „ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” ho an’ny mpino rehetra, ny fanjakana sy ny voninahitra ho an’ny Zanany miaraka amin’ny vadiny (ny Fiangonana), ny fonenan’Andriamanitra miaraka amin’ny olona, ao amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao … Efa azo antoka tanteraka izany rehetra izany, na dia mbola tsy tena feno aza ny fahatanterahany manontolo. Jesosy irery no afaka niteny hoe : „Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany ; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” „Vita” : io hiakan’ny Mpamonjy voahombo teo amin’ny hazofijaliana io dia manambara ny fankasitrahan’Andriamanitra ny asa nataony. Hiaka feno voninahitra io, hiakam-pandresena.