Asabotsy 1 Marsa 2025

Raha misy olona manao hoe : Miadana sy mandry feizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana. 1 Tesaloniana 5:3

Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. 2 Tesaloniana 3:16

 

Tahotra sy fiadanana (3)

Rehefa reraky ny fiverimberenan’ny fiahiahiana izao fiainana izao ny saina, dia tonga ny tebiteby, miaraka amin’ny tahotra ny ampitso. Voatarika ny tena hatahotra ny fahafatesana, tahotra ihazonan’ny devoly ny olona ao anaty fanandevozana tanteraka (Hebreo 2:15). Aiza no hahitana fanampiana azo antoka, fialofana manoloana ny tabataban’ity tontolo ity ? Henoy ny feon’i Jesosy, feo ho renao amin’ny alalan’ny famakiana ireo filazantsara : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Velona ny tenin’i Jesosy, ho an’izay mino izany. Dia manjary tena misy eo no ho eo io fitsaharana io, ary mihalefy ny feon’izao tontolo izao, na maka ny tena tokony ho toerany.

Izany fiadanana izany dia azon’i Jesosy tamin’ny vidiny tena lafo, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Omeny izay rehetra mitoky aminy izany : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

Nefa hoy koa ny Baiboly : „Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy” (Isaia 48:22). Izany no mahatonga ny devoly hitady hanisika fiadanana tefitefena, mba hampatoriana ny olona amin’ny alalana fomba ankolaka izay hita manomboka maka toerana ankehitriny. Hany ka indray andro any, eto an-tany, „raha misy olona manao hoe : Miadana sy mandry feizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy” (1 Tesaloniana 5:3). Tsy efa nambaran’Andriamanitra mialoha ve izany ? mba hahatakarantsika ny toetra ara-toe-panahin’ny zavatra iainantsika amin’izao fotoana izao.

(tapitra)