Zoma 28 Febroary 2025
Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. Matio 13:22
Ireo haino aman-jery sy mpamoromporon-kevitra dia mamisavisa lava lohahevitra toy ny valan’areti-manerana, ny fitomboan’ny hafanan’ny toetrandro, ny angovo hay havaozina, ny tambadikan’ny dionarina (bilan carbone), ny hamaro karazan’ny zavamanana aina (biodiversité), ny fandotoana isan-karazany, ny ady ara-tafika, sns. Na marina na nihadiso ireny fampahalalam-baovao averimberina imbetsaka ireny, dia mampahatsiahy ny antsoin’ny Baiboly hoe „ny fiahiahiana izao fiainana izao”. Ny vokany dia ny fanagejana ny Tenin’Andriamanitra (jereo ny takelaka omaly : Ny fanoharana ny amin’ny mpamafy, ao amin’ny Matio 13).
Ny devoly („ilay ratsy” ; and 19) dia mitady avy hatrany hanaisotra ny Tenin’Andriamanitra voafafy tao am-pon’ny olona. Ary ny fandavantsika matetika an’Andriamanitra dia mahatonga ny fo ho mafy „tahaka ny làlana”, tsy mitandrina izay lazainy isika.
Farany, ny devoly dia mitady izay hamenoana ny saintsika amina karazan-javatra samihafa. Fetsy izy manakorontana ny fihevitra, mikolokolo fampifangaroharoana lohahevitra manan-danja sy zavatra tsy misy dikany. Mitombo hatrany izany famenoana ny saina amina zavatra tsy misy lanjany amin’Andriamanitra izany, amin’ny alalan’ny fiitaran’ny internet sy tambajotran-tserasera.
Ndao hampifantoka ny saintsika amin’izay ampianarin’ny Baiboly : „Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko ; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana” (Filipiana 4:8-9).
(hitohy)