Alakamisy 27 Febroary 2025
(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24
Hoy Jesosy tamina vahoaka betsaka :
„Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy ; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana ; dia avy ny vorona ka nandany azy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy ; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo ; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy. Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia namoa : ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enimpolo heny, ary ny sasany avy telopolo heny. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino…
Koa amin’izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ny mpamafy : Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy (ny devoly) ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana. Fa ilay nafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin’ny hafaliana ; nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana ; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy. Ary ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala ; dia izy no mamoa ka vokatra : ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enimpolo heny, ary ny sasany avy telopolo heny” (Matio 13:1-9 ; 18-23).
(hitohy)