Alarobia 26 Febroary 2025

Sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra ; koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ny Tsitoha, fa sady mandratra Izy no mamehy ; manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. Joba 5:17-18

 

Fanasitranan’Andriamanitra

Nisy mpiompy iray nanana zana-tsoavaly tsy azo nakaikezina mihitsy. Indro fa nitsoaka ny toeram-piompiana io zana-tsoavaly io, mba hihinjakinjaka any an-tendrombohitra. Indray alina dia taitra tamin’ny fivovòn’alika ilay mpiompy. Nahatonga azy hivoaka ny trano ny feona kitrom-biby manodidina ny trano. Hagagana re izao ! Niverina ilay soavaly keliny. Nandringa izy, naratra noho ny tsilo tafiditra tao ambany kitrony, nefa nahafantatra ny toerana hahazoany fikarakarana. Navelany hanatona azy ilay tompony, hampiakatra ny kitrony, ary hanala ilay zavatra nanelingelina azy.

Iza moa no mbola tsy nahatsapa faniriana ho afaka amin’izay rehetra mety ho fanagejana, handika ny fihevitr’Andriamanitra mba hanao ny sitrapon’ny tenany, ary hanaram-po amin’ireo hadalany ? Avelan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay izany fahafahana izany, nefa dia mahatonga fijaliana sy endrika fanandevozana…

Andriamanitra dia tsy mba mijery fotsiny ny fahorian’ny olona diso tetika, na an-tsitrapo aza no nanaovany izany. Tonga tetỳ an-tany Izy, tao amin’i Jesosy, Izay nizaka ny famaizana sahaza ny tsy fankatoavako. Araka izany Andriamanitra dia nanokatra lalana ahafahan’ny tsirairay manatona Azy sy mibebaka ary hositranina. Amin’ny alalan’ny finoana sy ny fatokiana ny fitiavan’Andriamanitra no ahitana io lalana io. Rehefa miditra amin’io lalana io ary manana an’i Jesosy ho môdely, dia tonga amin’ny fahasambarana ankehitriny sy mandrakizay. Mety mbola ho eo ihany ny voka-dratsin’ny fiainako tsy manana an’Andriamanitra. Fa Andriamanitra kosa dia afaka mampiasa ireo vokatra ireo hitaizany ahy, ary hitondra soa ho ahy mandrakariva izany, any am-parany.

„Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo ; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo” (Joela 2:13).